You are here: home > Tononkira > Tsirava & Sarobidy

Mbola hafa (Tsirava & Sarobidy)

(L) Hafa loatra ny fitiavanao ry Ray
(V) Tsisy hafa azo hoarina aminao
(L) Fitahiana, fifaliana tsy lany amamina
(V) Famonjena sesehena natolotrao ho ahy
*Raha sendra lavo aho. (x2)

Ref:
(L.V) Mbola hafa ihany Ray ô, ny anilanao
Tsy misy hafa hasolo ny toeranao.
Mbola hafa ihany Ray ô, ny herinao
Fa n'iza n'iza hilaza ho mahery
Tsy hatohitra anao.

(L) Hafa loatra ny eo akaikinatononkira.serasera.orgo ry Ray
(V) Tsisy tahotra aho tsy manana ahiahy
(L) Fitahiana, fifaliana
(V) Tsy lany amamina
(L) Fandresena, sesehena
(V) Natolotrao ahy
Raha sendra lavo aho
(L.V) Raha sendra lavo aho.

Ref: .....................

Bridge:
(L) Izao rehetra izao
(V) Izao tontolo izao
(L.V) Manaiky anao
Andriamanitra mahery ianao, tena hafa.

Ref: .....................(x2)

Fa n'iza n'iza hilaza ho mahery
Tsy hatohitra anao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tsirava & Sarobidy
Mpamaky : 64
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 09/10/2018 08:20:41
ID : 11029

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo