Setra (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa lasana any ialahy
Nandao anay sahady
Ny fatorana hivaha
Ka tapaka ny tady

Fa ialahy lasana any
Izahay kosa etý
Ho setrin’ny tomany
Zahay hifankatia

Ireo hirahiran’ialahy
(Niarahana tamin’ialahy)
Hamatotra anay
Hitana tsy hivaha
Ireo hirahira tety
Hamatotra anay
Izay mbola hanohy ny dia

Tsy hitanondrika aho
Na tsy hitraka intsony
Atao ahoana fa
Ny lahatra ao ambony

Tsy azo lavina
Ny lahatr’Andriamanitra
Ny làlana hodiavana
Dia efa voafaritra

Ireo hirahiran’ialahy
(Niarahana tamin’ialahy)
Hamatotra anay
Hitana tsy hivaha
Ireo hirahira tetý
Hamatotra anay
Izay mbola hanohy ny dia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsiakoraka
Vangy : 2546
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/08/2015 16:00
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1198