Sendra (Tsiakoraka)
Ny tsiky kelin’i Sendra
Izy tsy manankolazaina
Toa tsy manantaraina
Ny azy koboniny anaty
Sarotr’ho tomany
Ny hasomparan’ny tany
Dia mampatsiahy fa mandratra
Ilay tiana lasa tsy tratra
Nizara sento izy ireo tamin’ireo vorondreo
Toa mitoreo
Tsiky malefaka miampy
Vetsovetso miatsampy
Ireo voro-nandalo izay tonga nampitony
Ny alahelo
Ny tsiky kelin’i Sendra
Izy tsy manankolazaina
Toa tsy manantaraina
Ny azy koboniny anaty
Sarotr’ho tomany
Ny hasomparan’ny tany
Dia isan’andro izy irery
Mamaly ny antson-jorery
Mandany ny andro amin’ny antson’ireo vorona izay tonga
Hiaraka hifaly
Rehefa tonga ny hariva
Malaina handao ny kijana
Ny alahelo tsy tana hody indray any antanana
Rahampitso indray (a ay) hikarama!



