RAVINTARATASY (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ravin-taratasy iray tsy tsaroany akory
Saika hitroatra mafy mantsy ny fony
hanadino anao hahafoy anao

Ravin-taratasy tsy voasoratra akory
Daty na ny andro tsy tadidiny intsony
fa hoe lasa ianao, nandao azy ianao

Nahoronkorony tao an-tanany tao
Natsipitsipiny fa raha teo mantsy ianao
Voaratrany

Nahoronkorony tao an-tanany tao
Natsipitsipiny fa raha teo mantsy ianao
Voaratrany mafy, potehiny
Saingy tsy eo ianao ka dia izao

Ravin-taratasy kotsan-dranomaso
Ny fony no miteny hoe : andraso
fa ho avy ianao , tsy ho ela ianao

Nahoronkorony tao an-tanany tao
Nofihininy mafy fa raha teo mantsy ianao
Nofihininy,
--------
Rohy:
Hevitra
Bags ( 10/08/2017 12:32)
Merci
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsiakoraka
Vangy : 17405
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : MIMINE
Daty : 15/07/2004 01:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121