You are here: home > Tononkira > Tsiakoraka

Raha fitiavana (Tsiakoraka)

Fifalianao no fifaliako
Ny fitiavanao no faniriako
Ny saiko mihevitra sady manantena
Fa ny làlantsika dia mbola hifanena

Fa ny foko nitempo fitia
Nisafidy tsy noteriterena
Tsy mba nisy ny ahoana satria
Nanome zay azo nomena
Ka raha misy ny avy aminao
Raha mbola fitiavana ihany koa
Raha misy mba ambarabarao
Fa horaisiko raha vokatry ny fo

Indray maraina iray, maraina teny ho eny
Iny aho tsisy atao, nirenireny
Tampotampoka eo, inty ny tànanao
Nibtononkira.serasera.orgaliaka teo masoandro vaovao

Fa ny fo no nitempo fitia
Nisafidy tsy hay nofefena
Tsy mba misy ny ahoana satria
Nanome zay azo nomena
Ka dia misy ny avy any aminao
Dia mbola fitiavana ihany koa
Ka dia misy fa tsy nambaranao
Hay moa tsy takatry ny loha

Fa ny foko nitempo fitia
Nisafidy tsy noteriterena
Tsy mba nisy ny ahoana satria
Nanome zay azo nomena
Ka raha misy ny avy aminao
Ka raha mbola fitiavana ihany koa
Ka raha misy mba ambarabarao
Fa horaisiko raha vokatry ny fo


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tsiakoraka
Mpamaky : 460
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 10/08/2017 20:50:25
ID : 9852

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo