Ny androany androany (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ny efa lasa tsy nahandry ny androany
Sady avo vava no nanainga nandeha
Izaho kosa niandry ka niandry teto ihany
Izy ireo nananihany sady nihomehy

Nilaza izy ireo fa tsy mba ?noho ny hadalany
F'izy ireo niandry izay andro izany
Fa efa ela loatra no niaretana tomany
Aleo maty ampitso toa izay maty androany

Matoa nisy ampitso ary nisy ny omaly
Dia satria nisy ihany koa ny androany
Fa izaho raha miandry tsy hoe faly ny hijaly
Mino aho, mino aho fa ny androany mbola ho andro ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsiakoraka
Vangy : 2654
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 10/09/2017 19:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2769