You are here: home > Tononkira > Tsiakoraka

Mason'ny alina (Tsiakoraka)

Ny andro no nandalo f’izao no niaritra,
Nimbanjina ny fara-vodilanitra,
Niandry ny hariva ,
Ny masoandro iva,
     Ny alina no tonga fa izaho efa lasana,
     Lasa lavitra tsy hita hoandrasana,
     Nitety tany hafa,
     Tsy hitan’olon-kafa,
    
     Embona ela elan’Tsiky dia ampyelan-tany
     Olontiana honofisi(na) mamy,
     Mamy iiii
     Heim heim heim (2)

Fa ilay taratrao manga fijery,
Mason’ny alina namana mahery,
No niantso nitaona nitondra mba ho eny,
Vetsovetso no alefa sesilany,
      Hiampita any ambadika any,
      Any iiii
      Heim heim
      Heim heim

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tsiakoraka
Mpamaky : 7095
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Izy
Tamin'ny : 29/01/2006 09:39:26
ID : 3438

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo