Atao hirahira (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fiainana lasa sy izay mbola ho avy
Andao hataontsika hirahira
Ireny hafaliana tsy omby ny tratra
Andao hataontsika hirahira

Amboary ny teny, akaro ny feo
Venteso ny hira, hirahira

Iny olo-nandalo nanaitra teo iny
Andao hataontsika hirahira
Nanaitra ny maso niserana tsy hita
Andao hataontsika hirahira

Amboary ny teny, akaro ny feo
Venteso ny hira, hirahira

Ny andro maraina mitondra hazavana
Andao hataontsika hirahira
Ny masoandro dify, ny alina tonga
Andao hataontsika hirahira

Amboary ny teny, akaro ny feo
Venteso ny hira, hirahira
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsiakoraka
Vangy : 2249
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/08/2015 16:41
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.25