Aoka (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miangavy anareo ry zalahy
Atsaharo kely ange 'ty ady
Tsy hoe fatahorana ny ahy
F’efa leon’ity mifampitady

Mba jereo ange zato ianareo
Dia topazo maso koa zahay
Ny tanàna potika sy may
Ny mijery izao ve tsy hankaleo

Raha isika mpiady ihany moa
Tsy dia mampaninona raha voa
Fa ireo tsy manan-tsiny koa
Dia mitanty izany avokoa

Raha ireo efa afak’aina
Efa maty teto hatrizay
Marobe tsy hitako isaina
Mba miangavy re mba aok’izay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsiakoraka
Vangy : 1621
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nandriamandia
Daty : 01/04/2018 08:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753