Sarinady (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarisarin'ady feno tsiky feno fitaka
Ny maty indray no mampihomehy
Toa tany very fady, tany voavoly fitaka
'Zay tsy miainga raikitra eo

F'izaho sy ny marina no mifampitady ela
Valaky ny lainga tsara laza
Izaho sy ny harena nanao fangalampiery
Teny ihany fa tsy niara-nila
Izaho sy ianao toa ny vary toto-tànana
Tsara endrika matsiro

Ny manana omby folaka misarisary olana
Fakan'amontana mikoro
Ny manan-tany lonaka sy sandry nandevozina
Mpanarivo ranomaso.

Ny vokatra miakatra mandrakotra ny trano
Tototra hasoavana ny sompitra
Ireo izay nifofotra nitangolingolika
Mangotrak'alahelo ny vilany
Ny donto rantsan-tanana mamelona ny tany
Kalaza hanapaka mahazaka


Tonony sy feony : Tsilavina Ralaindimby sy Tselonina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselonina
Vangy : 1981
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/07/2014 22:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2576