Ravaomaria (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-)
Horakorak’i Rasahona
Etsy an-tanin’anan-drano
Iny izaho fa maka
Maka vinanin-drano

Fa lasa nandeha nankaiza anie
I Ravaomaria
Izy angaha nantsaka rano
Ery an-dohasaha ery
Ref.1:
Lasa aiza i Ravaomaria (2)
[indroa:]
Lasa nantsaka rano
Eny an-dohasaha
Misay andro harivariva o!
Hampiandrasana an-dralehilahy o o!
Lasa nantsaka rano
Eny an-dohasaha
Misay andro harivariva o!
Hampiandrasana an-dralehilahy

2-)
Atsipiko eny amoron-drano eny
Ho entin’ny onja miakatra
Kikiazako eny an-tanety
Haveriny hankeny amiko
Fa lasa nandeha nankaiza anie
I Ravaomaria
Izy angaha nantsaka rano
Ery an-dohasaha ery

Ref.2:
Iny eny Ingahy Ravelomanga (2)
[indroa:]
Iny an-kodomirana iny izy
Mibaby fehin’hazo maty e!
Hioby indray ny aao an-tanana o!
Ho donak’afon’ambiaty e e!
Iny an-kodomirana iny izy
Mibaby fehin’hazo maty e!
Hioby indray ny ao an-tanana o!
Ho donak’afon’ambiaty e e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselonina
Vangy : 17899
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 07/11/2001 12:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125