Canapé (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Esory amin’ny fanahazan-damba lay soutien sy ‘lay ohatr’izay
Somary pasohy malamalana dia ndao amin’izay
Ilay zokinao dia olona tsotra izy tsy mba be teny
Ilay lahiaivo be dango lava tambazo roapolo
Lay faravavy mahafatifaty ividiano sucette

Tsaroanao ve ‘lay restaurant lay tetsy Ankirihiry
Isika roa nisotrosotro chinoise tamin’ny table six
Dia nantsoiko mora ‘lay lehilahy : aiza ny fanalahidy
‘Lay la bonne namboatra drap tao amin’ny chambre dix
Nisy nandondona mafy be nony injay tamin’ny dimy

Lalina ny nahazo antsika tetsy Andranomanalina
Ilay poketra-dry nisy nisintona, bandy tsy vanona
Izaho moa kelikely endaka ihany vao mainka voafelaka
Indry potraka, tafapetraka toa nisaveraka
F’indry ilay niseho tako-kenatra no tena nahamenatra

Fahiny niaraka efa ho iray volana vao misy tsao-dela
Fa arovana ny fahadiovana, ny fahendrena
Fahiny raha tsy vita mariazy tsy afaka miara-matory
Mbola anontaniana ny razana : avy aiza ary itony
Zanak’anadahin-drenin-dr'i Léa sy Rahely
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselonina
Vangy : 3143
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 20/01/2018 03:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0887