Ho any aho izao (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho any aho izao e, ho any aminao,
Any aho izao e, vao mety salama.
Ny ahitra any anie ka maitso mazàna
Tsy manao veloma, hiezaka hatrany
Tsy ho ela dia tonga, miantsoantso ny any
Sao tsy mahare na koa hoe tsy salama
Ilay any an-tanàna, ilay any an-tanàna.

Tany aho izao e, vao tena nifaly
Nanoroka tany, nitaingin-tsoavaly
Namonjy fandriana raha mena masoandro
Ny fo tsy sorena, miroboka mandro
Miezaka an-tanety, mitety ny tany
Anio any atsimo, ampitso alavitra any.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselonina
Vangy : 2124
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/07/2014 20:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5985