FITIAVANA (Tselonina)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Tselonina
Mpamaky : 1577
Nampidirin'i : rota
Tamin'ny : 08/04/2011 10:08:57
ID : 6003

Imprimer Facebook Facebook
FITIAVANA
Efa izy, izy mihitsy anie
Raha fitiavana, fitiavana
No vatsy entinao mandehandeha
Efa izy e! izy lehibe

Izy raha fo voakolokolo
Fenoy fitiavana o! Fenoy fitiavana o!
No entinao miarahaba ny tontolo
Izy e! izy manontolo

Ny orokorok’olona-tiana tsy tia leiry e!
Omeko roa segondra hialana
Hifanoroka amin’ny tiana ka tia o o o!
Ivin’anjely ka mamy, ivin’anjely ka mamy

Tantanan’ny olon-tiana tsy tia leiry e!
Manaikitra toa rojon’zandary
Ny antanan’ny olon-tiana ka tia o o o!
Satriko tsy hiala eo ihany, satriko tsy hiala eo ihany

Hay io ilay izy
Io iaraha-mahita io
Fitia tsy fitia naveriko ery
ka tsy ho zaraiko amin’ny tary sy ekipa

Efa izy, izy mihitsy anie
Raha fitiavana, fitiavana
No vatsy entinao mandehandeha
Efa izy e, izy lehibe

Izy raha fo voakolokolo
Fenoy fitiavana, fenoy fitiavana
No entinao miarahaba ny tontolo
Efa izy e! izy manontolo  

Ny orokorok’olon-tiana tsy tia leiry e!
Omeo roa segondra hialana
Hifanoroka amin’ny tiana ka tia o o o!
Ivin’anjely ka mamy, ivin’anjely ka mamy


Tantanan’ny olon-tiana tsy tia leiry e!
Manaikitra toa rojon’zandary
Ny antanan’ny olon-tiana ka tia o o o!
Satriko tsy hiala eo ihany, Satriko tsy hiala eo ihany.

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo