Misy adala ato amiko (Tovolah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
*K’aiza k’aiza k’aiza
ndao tsika hiaraka kozy de ho aiza
hanisa tavohangy @ zay tsika dozy, aisy
aty nge misy sosy ny fandraisam-bola tonga
hifampy tona hisotro toaka hampiakatra an’le tromba
ao @ bar ny mamo lava tia mandray anjara
sakaiza mpanjifa tsy mahafoy an’ny société vidzar
anaty vera misy fafiny asaivo handramany raha tantiny
fa sao tsy mahazaka dozin’ady de mety hipoaka hatr@ atiny
f’inona ny antony miraparapa lotra anaty toaka
manararaotra satria tsisy niteny hoe aoka aoka
te-ho faly aho misotro marary an-doha misotro
tsisy vahaolana aho misotro miady @ jôba aho misotro
ny revy ny ahy anaty rà fa tsy hoe zaho no jiolahim-boto
antsoinao foana aho mazoto hatr@ vavoniko efa donto
raha revy dimy andro misesy de mety tsy ho zakako avy eo
fa tsy koa atsangako farany ny vera ho an’ny akama tsy eo

refrain:
’Zaho mba te hijanona @ revy fa misy adala ato amiko
fa angamba ny aho fahazaran-dratsy tsy mety ho afaka amiko
kiana betsaka ny revy nefa tsy azo hajanoko
manampy trotraka ny ditrako ny toaka laniko
ay! ay! misy adala ato amiko
fa angamba ny ahy fahazaran-dratsy tsy mety ho afaka amiko
an ny revy be kanefa tsy azo hajanoko
manampy trotraka ny ditrako ny toaka laniko

*O ry jah hajanony le toaka sao be lotra
aza atao foto-tsakafo ohatrany vary sy laoka
sao vaky sao goka le vavonin’ela raha mitohy io de mipoaka
simba @ resaka toaka henoy ny resaka ataoko
fa betsaka loatra ny kofy boay no tsy tafavoaka
tsy tafatsoaka simba be satria tafahoatra
mba tsy ho vakiraoka ny fiainako hovaiko le fomba fanaoko
fahasalamako tsy simbaiko @ resaka toaka
hozy ah hoe aoka hitan’la fa mety ve leity
raha ny zandry kelintsika no ampianarina hana-py
toaka poizina mikiky parsy
ny tany andalam-pandrosoana efa tsy ampy calorie
fidiram-bola mbola tsisy de efa toaka sahady
ny revy be ve moa tsy ho hita refa tena mitady
nefa tsy vita intsony fa tsy hoe tsy tiako na tsy tanty
zaho tsy tavoahangy no atsipy anaty vata-paty azafady

refrain

*ataovy hoe iray roa telo rainy zana-belo
o ra misa belo tsy aleo ampina beks telo
overdozy vera firy vao dozy vera firy vao hilamina
ankotrany vera de l’âme vera firy vao hijanona
aza mahasosotra de aiza koa ’zay tavako somokotra
matokisa anahy ’se fa zaho ’nge dozy fa tsy okitra
jereo ela fa binabina kanefa mba tovolah
lasa toxico alcolo pinara tokalah
de tsy tiavinao zaho fa zany tsy hanova ny fiainako
de ho anarinao zaho fa zany tsy hampiova ny fisainako
fa ny ah de misotro misotro revina jiolahimboto
fa tsisy toaka mafy akory ka tsy laitran’ny zoto
aisy! afa-bizana relax rehefa mamo
fax rehefa mamo tsisy lagina rehefa mamo

refrain
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tovolah
Vangy : 2977
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tovolah
Daty : 20/02/2003 13:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729