You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Tsy ho haiko irery (Tovo J'Hay)

Tsy namela ahy ho very
Na koa irery
Ianao ry Ray be fitia.

Vao may notefenao ho mpandresy
‘Reo olana nisesy
Zay lalovanay, mpahazo anay ety

Ny tena mba iriko dia ny hoe
Ianao no hialoha lalana ahy raha mandeha
Tsy ho haiko irery ndrandray ny mahasaraka
Fa Ianao, mila Anao fanilo hitaratra.

Ireo Tsiky dia ampytoetrako tsy mendrika
Iriko mba ho diovina
Fa menatra, ny hitonona ny Anaranao

Ireo ditrako, ireo sitrapo ireo fianana rehetra zay tsy sitrakao
Hifonako ,hivalozako eto izao

Ny tena mba iriko dia ny hoe
Ianao no hialoha lalana ahy raha mandeha
Tsy ho haiko irery ndrandray ny mahasaraka
Fa Ianao, mila Anao fanilo hitaratra.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 401
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ralayzik
Tamin'ny : 22/10/2018 11:03:13
ID : 11064

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo