You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Tsaroanay foana (Tovo J'Hay)



Tontolo iray vaovao
No tiako lazaina anao
Tantara misy fa tsy angano
Hanala ireo amoamo
Rakotra felam bonikazo
Kalokalo sy vazo
Aingam-panahy tsisy fetra
Notoavintsika rehetra

Hiserana amin’ilay toerana
Handalo tsy hijanona ela eo
Kanefa kosa izay niseho:

Ref: Tsaroanay foana ireo nilalaovana
Ireo fotoana mamy niarahana
Nifanesy teo ny tsikitsiky, tomany
Izahay mbola miraka hatrany.

Sarotra ho ahy ny tsy hilaza
Fa mbtononkira.serasera.orgola mihanta toa  zaza
Toa zary nofy no tavela
Atao ho rakitra ny ela
Tsiaro tsy mety ho voafafa
Ireo resaka sy tafatafa
Lalana maro no voasedra
Litera A hatramin’ny Z

Hiserana amin’ilay toerana
.........

Ref: Tsaroanay foana ireo nilalaovana
Ireo fotoana mamy niarahana
Nifanesy teo ny tsikitsiky, tomany
Izahay mbola miraka hatrany.

Tsaroanay foana a!.......
Ireo fotoana a!......
Nifanesy teo ny tsikitsiky, tomany
Izahay mbola miraka hatrany.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 403
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ralayzik
Tamin'ny : 22/10/2018 11:35:23
ID : 11063

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo