Tanisa Tanisa (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
raha vao mirava ny sekoly
dia mifampitaona ny hiala voly
ireto ankizy misodisody
mameno arabe toa samy tsy te hody

Ireo feo mifangaro, toa kalomboron kely
Toa mampandrevirevy samirery
Manembona indray ireo androm pahazazana
Ireo lalao fahiny mahatamana

Tanisatanisan'ny ankizy ao andrefan-trano ao
Ilay takariva diavolana mibaliaka

Ny andro anefa efa ho hariva
Ny ora fodian ity efa madiva
tsy afaka loatra, tsy afa- mitroatra
fa na dia maika aza tsy afa manoatra

ireo hira fandre injao efa manako
Efa miala any ny aponga sy ny lamako
finaritra ery ireto ankizy mandihy
lalao tsy mampody, satry foana hankafy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tovo J'Hay
Vangy : 1399
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ralayzik
Daty : 22/10/2018 11:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4606