R'eny (duo avec Anyah) (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anyah:Efa impiry moa,Tsy indray tsy indroa.
Efa mba maro izay.
Tsy nolavinao fa noraisinao,ity foko diso tety.
Idraindray aza aho nandreraka, mila ho ketraka.
Ny fo sy fanahy.
Tsy mba mety ho ritra ireo ditraditra,
’zay tsy tianao.
Tsy nahafoy anao, tsy nandao ianao.
Fa mbola teo foana.
Fitia tsy mety ho lo,nanenika ny fo.

Ref: Ianao nampianatra ahy hamindra
Ny fiainanay ho tsara rindra
Nampitony ny adin-tsaina,raha mitaraina.
Tsy mba sasatra nanitsy.
’Reo hadalana vitsivitsy.

Zay ah aa !!! nandreraka anao,
tsy hanao intsony aza aho.
oh oooooo yeah eeee!!!


Tovo J’Hay: Efa impiry moa (firy moa)
tsy indray tsy indroa (tsy indray tsy indroa)
Efa mba maro ‘zay
Tsy nolavinao fa noraisinao (noraisinao)
’ty foko diso tety
‘Ndraindray aza aho nandreraka
Mila ho ketraka ny fo sy fanahy
Tsy mba mety ho ritra ireo ditraditra (ditraditra)
Izay tsy tianao

Tsy nahafoy ianao, tsy nanary ianao
Fa mbola teo foana
Fitia tsy mety ho lo (fitia tsy mety lo)
Nanenika ny fo (nanenika ny fo)


Ref Ianao nampianatra ahy hamindra
‘Reo fiainanay ho tsara rindra
Nampitony ny adin-tsaina raha mitaraina
Tsy mba sasatra nanitsy
‘Reo hadalana vitsivitsy
Nanaraka ahy eny foana mandava-taona

Ianao nampianatra ahy hamindra
‘Reo fiainanay ho tsara rindra
Nampitony ny adin-tsaina raha mitaraina
Tsy mba sasatra nanitsy
‘Reo hadalana vitsivitsy
Nanaraka ahy eny foana mandava-taona

E e e e, ianao tsy foiko,
E e e e, ’lay mamy ny foiko,
E e e e, ianao tsy foiko,(ianaooo tsy foko)
E e e e, ’lay mamin’ ny foko, he e e
E e e e, ianao tsy foiko,(ianao tsy foikoooooooo)
E e e e, ’lay mamy ny foko, (lay mamy ny fokoo)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tovo J'Hay
Vangy : 5657
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zelouh
Daty : 16/08/2008 19:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2579