Reny (TOVO J'HAY)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : TOVO J'HAY
Mpamaky : 2053
Nampidirin'i : botakely
Tamin'ny : 22/08/2006 13:40:32
ID : 3840

Imprimer Facebook Facebook
Efa impiry  moa
tsy indray tsy indroa  
efa mba maro ‘zay
Tsy nolavinao fa noraisinao  
’ty foko diso tety
‘Ndraindray aza aho nandreraka  
Mila  ho ketraka ny fo sy fanahy
Tsy mba mety ho ritra ireo ditraditra
Izay tsy tianao

Tsy nahafoy anao,  
tsy nanary anao  
Fa mbola teo foana
Fitia tsy mety ho lo,
nanenika ny fo


Ref  Ianao nampianatra ahy hamindra
       ‘Reo fiainanay ho tsara rindra
        Nampitony ny adin-tsaina  
       raha mitaraina
        Tsy mba sasatra nanitsy
       ’Reo hadalana vitsivitsy
        Fay !  nandreraka anao    
        tsy hanao intsony aho


Efa impiry  moa  tsy indray tsy indroa  
Efa mba maro ‘zay
Tsy nolavinao  fa noraisinao ’’ty foko diso tety
‘Ndraindray aza aho nandreraka
Mila ho ketraka ny fo sy fanahy
Tsy mba mety ho ritra ireo ditraditra  
Izay tsy tianao

Tsy nahafoy anao,   tsy nanary anao  
Fa mbola teo foana
Fitia tsy mety ho lo nanenika ny fo


Ref  Ianao nampianatra ahy hamindra
       ‘Reo fiainanay ho tsara rindra
        Nampitony ny adin-tsaina raha mitaraina
        Tsy mba sasatra nanitsy
        ‘Reo hadalana vitsivitsy
        Nanaraka ahy eny foana mandava-taona

        E e e, ianao tsy foiko,……




Tovo J’Hay

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo