Raha tia mozika (TOVO J'HAY)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : TOVO J'HAY
Mpamaky : 3705
Nampidirin'i : Sissie
Tamin'ny : 24/09/2003 10:18:38
ID : 1966

Imprimer Facebook Facebook
Tovo J’hay :Te mba hiara hikalo aminao aho
                  Hitondra hafanana vaovao aho
                  Izay ilay tsy ahafoizako anao
                  Ilay tena tiako any aminao

                   Rehefa mba mangingina aho indraindray
                   Ilay endrikao no indro eo
                   Mameno fo sy reko feo
                    Mibadabada tsy mety miato
Poopy :        Tsaroako foana ilay fanao ahy
                    Ireo teny mambabo fo
                    Tsy mba foiko tokoa
                     Miverimberina foana ao antsaiko tato ho ato
Lalie : Lay resatsika omaly
         Mamelovelo tsy mampatory ahy
         Ka n’aiza n’aiza misy anao any ho any
        Hijery anao aho na androany androany
Ref : Raha toa ianao ka tia mozika
        Dia mba hiara hikalo aminao aho
        Raha toa manerika na mangatsika
         Hitondra hafanana vaovao aho
         Tolory tanana aho rehefa tonga any
         F’izay ilay tsy ahafoizako anao
         Tolory tsiky iray tsy misy ahiahy
          Ilay tena tiko any aminao
        
Malala : Tsahivintsika kely aloha iray minitra
            Ireo kely rehetra efa vita hatrizay
            Natao tamin’ny fo niraisantsika
            Mitondra ny fiainana ho avy izay mbola tsy hita

Nanie : Tsikaritro fa tsy ianao ihany no tojo fisainana toy izany
            Mieritreritra lasa vinany
            Maniry tontolo vaovao tena tonga lafatra
Bodo :  Matotra angamba ny androany
            Sanantria tsy hanihany
            Lazaiko zaraiko aminao izay efa niainako hatrizay

Raha toa ianao ka tia mozika....

Sambatra ianao izay
Tony fo sy fanahy
Mahay mandray, mahay miara dia
Toy ny olona mifankatia

Raha toa ianao ka tia mozika...

Dia ho sambatra izaho sy ianao