You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Miverina eto amiko ihany (Tovo J'Hay)

Manontany  tena aho indraindray
Efa  impiry fa tsy mbola fay
Fantatro f’indray andro any
Mbola hiverina eto amiko ihany

Nanjary toa fanaoko ny tsy miteny
Matetika dia hodiako tsy hita reny
Fa fantatro f indray andro any
Mbola hiverina eto amiko ihany

Iny tokako iny mba handalovy kely any re
Lazao azy fa ny tiany mbola miandry foana e
Aza lazaina aza tantaraina  ny alahelo ao anatiko
Tonga dia tsory azy fotsiny , f’izy hono hoe mbola toka po

REF: Tsy mbola tapitra eto ny fotoana
         Andrasako izy za mbola eo foana
       Tsiky dia ampy Aleo aloha ny foko mba hitony androany
         Izaho tsy alahelo na ko hitomany
         Ny ho avy sy ny ampitso tsy takatro
         F’izaho mbola eto aloha no fantatro
         Naleoko mangina aleoko mintsy ho moana
          Fa hiandry anazy aho hiandry foana

Miverina eto amiko ihany………..

Dia niova ka nitohy teo ny tantara
Nanomboka niantso izy nanambara
Fa agamba mety fantany ihany fa
Mbola hiverina eto amiko ihany

leo ny kilalao leo ny adalana
Izay rehetra aleha toa tsy mahatamana
Nahatsapa fa dia hafa ihany
Ka niverina eto amiko ihany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 3756
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Rasoavina
Tamin'ny : 04/03/2016 11:13:43
ID : 8118