HATRETO IHANY (TOVO J'HAY)

Mpihira : TOVO J'HAY
Mpamaky : 2803
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 05/08/2006 14:00:24
ID : 3810

Difidify teo izy;
Nandany teto ny andro,
Ny masoandro nidify
Tsy hitany akory,
F’efa maizina atoandro,
Nipitrapitra nangina;
Tsy nandrenesana feo,
Reko any ho any mitempo ny fony
Ndri tsy nety ho tony.

Chorus:
Tsy hita ianao, tsy hita ianao,
Hanambitamby azy eto
Fa ny anao efa voafetra hatreto;
Ka izy irery ihany,
Izy irery ihany no tomany.
Tsy hita ianao, tsy hita ianao
Anala ilay sento
Fa ny anao efa voafetra hatreto;
Na hipenompenona , himenomenona
Tsisy azo atao.

Fotoana vitsy kely monja,
Fotoana mba nankany fy;
oh oh oh
Mavesatra sy mafonja
Fitiavana tsy misy ohatran’ity.
Dia nihisatsisatra teo
Malaindaina hifandao
Nefa dia tsy mba nifankafoy
Taloha izy nandeha.

Chorus:
Tsy hita ....
Tsy hihita ianao, tsy hita ianao
Hanambitamby azy eto
Fa ny anao efa voafetra hatreto
Na hipenompenona na himenomenona,
Tsisy azo atao.


De: Noro (Fresnes)

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo