Hainao atao (TOVO J'HAY)
Nomenao hery sahaza izahayHamitana izay ho anjara adidinay
Fa naniasia izahay indraindray
Sahy nanao ditra an-tsitrapo
Hany ka very ny talentanay
Hoentinay manjeny ny andro nomenao anay
Nony injay ilaina izahay hanome
Dia tsy hisy hatete
Efa lany tokoa
Izay aleha ringitra
Manam-petra na tena na saina ka
Lavo avokoa
Aza avela hamoy fo fa vonjeo Tompo รด
Fa dia sarotra ka tsy takatra
Fa raha sitrakao dia hainao atao
Izay faniriko indrisy tsy ho to
Efa laniko ny hery nomenao ahy
Te-hiezaka aho hanavao herim-po
Fa tsy ho hita intsony izay aleha
Sisa antenaiko dia hamindranao fo
Toy ny zanaka adala mody amin-dRay
Ka mifona re raiso aho
Atanjaho ilay finoako Anao