AZA AVELA (TOVO J'HAY)

Mpihira : TOVO J'HAY
Mpamaky : 3055
Nampidirin'i : kiffeuz de T.J
Tamin'ny : 18/06/2004 07:23:32
ID : 2480

Miangavy raha azo atao
Aza avelanao aho
Hitady ny ho tiavina
Hitia tsy miavona

Fa mba omeo ahy kosa
Ilay fitiavanao miavosa
Omeo fo tia ny hafa
Tsotra tsy mihafahafa

Aza avelanao hiteny
Raha manambony tena irery
Tsy mijery ireo mijaly
Any ho any
Fa hizara izay mba ahy
Ho modely ara-panahy
Tsy miahiahy

Mitalaho raha azo atao
Aza avelanao aho
Hitady tombony hatrany hatrany
Amin’ny fiainana eto an-tany

F’izay mitady dia omena
Fitia manetry tena
Hitondra izao tontolo izao
Hanaja hanompo anao

Ity aho ry Tompo
Vonona hanompo
Apetrakay ho anao mandrakizay
Ny anio sy ny ho avinay

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo