Avia fa ... (TOVO J'HAY)

Mpihira : TOVO J'HAY
Mpamaky : 2033
Nampidirin'i : Oullias
Tamin'ny : 24/12/2002 14:37:23
ID : 1348

Avia fa ...

Hifampitanana izaho sy ianao
Ho mpinamana tsy hifandao
Hiaraka foana isika hifankatia
Hikalo ireo mozika, tsara ery!
Aiza ilay namako any ?
Izy hono hoe mbola eto ihany
Avalontsika hatreo
‘Zay rehetra nankaleo

Tonga aty! Avia!
Hiaraka, avia!
Tongava fa tsy ho aiza
Hiandry eo foana

Ireo ‘zay tsy mety omaly, havalony any
Avia hiaraka hifaly, hifety androany
Raha ny antsika roa, ho hafa tokoa
Hiara-hikalo, hivazo fehezam-bonikazo
Aiza ilay namako any ?
Izy hono hoe mbola eto ihany
Avalontsika hatreo
‘Zay rehetra nankaleo


Atolotra am-pitiavana ny MPANKAFY
24/12/02

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo