Diary (Tosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
DIARY
Tsikaritro ato anaty diary,
Navelako hisy soratananao
fa tsy nanakana aho raha toa
mifangaroharo ny lalantsika.
efa narandrako tamin’ny anao
ny tadim-piainako ry zalahy iny
kanjo dia navotsotrao.

Rehefa iny injay any aho mitazana ilay
tononkira tsotra nasainao nohiraiko
malahelohelo kely
tantarako efa lasa ireny
Toa mahatsiaro ireo toro-hevitrao
sy ny angotingoty nataonao koa
manembonembona ny tantarako efa lasa izany

Tsy sanatria hamoy fo mazava fa hanadino
ny ankamaroan’ny nataontsika roa
hiova taona ka hiova fiainana koa
asa mety hiova fo
mampihomehy, diniho anie
fitia sa hamafisan-doha
mety ho fahazazana koa
Sa hadalana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tosy
Vangy : 12753
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mamy78
Daty : 24/01/2007 20:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734