Roasina (TongueNat)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Za kopy hoe be ireo mpanozona fa tsy afa-manoatra
Be ireo te hisongona fa tsy tafavoaka
Zah sy ny rap efa lafatra loatra
Mamokatra foana ohatrany faritr' Alaotra
Amin'ny compte fake no dokadokafana ny rappeur ondrakondrafana,
Mozikany efa lasa ho razana
Tsy hifampitambatambazana
Izay mitambatra, RG efa ela no nisara-bazana
Samy te ho mazana dia mitsako alohan'ny vazana
Tara train, tara fifohazana
Simba ve ny rap gasy satria ny an'lah tsisy fahombiazana
Tazomy ho an'lah irery ny fahavoazana
Fandalovana ety dia aleoko maka fafiny
Samy mijinja izay nafafiny
Efa kobo ny fiavin'ny daika ankolafiny
Tsy haiko izay tadiaviny fa fantatro fa...

Efa misy ho avy mamiratra efa miandry ahy
Mpanoro vohana any ambany faladia
Manodidina ahy liona mpihatsaravelatsihy
Ny mpiompy indray ve no asiana ?
Aleo roasina, aleo roasina
Mbay mbay mbay mbay fa tsy manambina
Aleo roasina, aleo roasina

Tsy miteniteny fa mangirana ohatran'ny kapila
Fiaraha-miasa, respect fa tsy fika atao fijapiana
Elah maika halaza, ny tanjon'lah tsinona fivaviana
Hitako ny rapn'lah voapoté satria eny am-pandriana
Tsy fanaratsiana fa fanitsiana
Ataovy anie ny fanadiadiana, be mpandika vilana
Ny tsisy hatokona no manakiana, efa vakiana
Manao karazana fihantsiana fa tsy vakiana loha
Tsy hamakiana loha,
Raha sendra lavo dia hatraka indray ny loha
Tsy hamakiana loha, izay mamy hatelina izay mangidy haloa
Zahay tsy hijanona mandihy ohatran'ny HoppDa
Tsy miamboho adidy izany raha mbola soldat
Be no miseho fanatika, mamorona lalàna
Hoe tia ny mozikatsika fa toa mamboly fankahalana.
Fa za kopy fa..

Efa misy ho avy mamiratra efa miandry ahy
Mpanoro vohana any ambany faladia
Manodidina ahy liona mpihatsaravelatsihy
Ny mpiompy indray ve no asiana ?
Aleo roasina, aleo roasina
Mbay mbay mbay mbay fa tsy manambina
Aleo roasina, aleo roasina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TongueNat
Vangy : 1301
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 11/11/2015 13:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1494