Hatreny amin'ny terminus (TongueNat)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1:
Ny lehilahy tia vehivavy mahay mikarakara
Aza avela hiditra amin'ny kilaodaoka, hivoaka amin'ny makarakara
Fitiavana tsy vitan'ny vola, firaisana eny am-parafara
Ny lehilahy tena tia matoa maniry hanangana taranaka amam-para
Ho avy mangarahara, matotra
Ny lasa efa feno rangotra
Ny lasa feno ratra tena mila fitsaboina
Ny lehilahy, tia vehivavy mahay mitsabo
Ny lehilahy tia vehivavy tsy entina amin'ny sanga
Tsy miandry tolorana fa manan-katao
Manak'ambara amin'ny loza mitatao
Ny lehilahy indraindray misy fanahiana amin'izay atao
Fa tiany ho hamafasinao hoe izy misy kalitao
Ny lehilahy tia vehivavy mahalala ny tiany
Rehefa tsy hatoro voanjo hadiana
Mahalala ny atao hoe fifanampiana
Refrain:
Dieny ny aty dia aza somparana
Tsy ho an'ny kanosa fahasambarana
Fitiavan-tena aza mibahana
Fiadanana no katsahana
Mitovy fijery, iray tanjona ve tsy ho iray làlana
Sady vady, sady mpiaro, saropiaro sady namana
Samy mpilalao mapateza ny fiarahana
Fitambarana fa tsy fisarahana
Hatreny amin'ny terminus

Couplet 2:
Ny vehivavy mila lehilahy miaro
Raha misy sakoroka
Ny vehivavy te hatsapa hoe izy iray amin'ny maro
Eny imason'olona mila oroka
Ny vehivavy tia lehilahy mihaino
Mihetsiketsika fa tsy mihainohaino
Misy dikany izy izay matoa maneno
Ny vehivavy mety mivadika biby fa tandremo
Sao laniny
Ny vehivavy tia miaina milamina amin'ny taniny
Ny vehivavy tia lehilahy mitazona ny tanany
Mitondra azy mba tsy ho diso famindra amin'ny làlany
Ny vehivavy mila porofom-pitiavana
Mila famantarana (x2)
Hoe lehilahy tsy mora miala an-daharana
Lehilahy mandefitra fa tsy hoe azo an-daharana
Lehilahy mahavita raha sendra fiakarana
Lehilahy tia ny bikany rehefa avy miteraka izy
Tsy miova fo rehefa lehibe ny ankizy
Lehilahy miady ho mpandresy fa tsy mora kivy, kivy

Bridge:
Miaraha ela
Vao miroso amin'ny fanambadiana
Kozy taitaitra mora tavela
Mivadika fanambaniana (x2)
Nefa tsy izay ilay faniriana ka...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TongueNat
Vangy : 2013
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 24/04/2015 22:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3245