Enao Ngah Ahoana (TongueNat)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa lamaody indray angaha ny perruque, vakiana be a!
Na olona tsy lalin-tsaina ohatran'i Inspecteur Derrick
Misy misaina amin'ny derika
Tompokolahy sy tompokovavy, misy Nicki Minandra notsofin'ny rivotra avy any Amerika
Dia gaga elah! Be ny mpandika fahatany
Tsy haiko aloha raha fantany fa zahay mamela ny fahotany
Ny koziko mivantana
Tiako ry Lil Wayne sy ny tariny fa tsy asiako tomobokavatsa ny ahy ny vatana
Tsy koi izay handatsa ana, raha hitako fa hantsana
Tsy handeha zebra aho na ho avy aza elah hitantana ahy
Zahay tsy zakan'ny rivotra vangilaopaka
Mbola fisainana pataloha miborotsaka, fitiavana miampy firotsaka
Tandremo ary sao potraka fa misy tsy vitan'ny S
Misy tsy vitan'lah, raha tsara vintana God bless
Be ny tanora taitaitra manao kozy mafaitra
Te atao hoe tsy laitra, fa handeha ho aiza no maimaika

Ref :
Be ny te ho star amerikanina te halaza eran-tany eraky ny tanàna
(f'enao ngah ahoana!)
Eny amin'ny varavarankely ohatrany hoe mitazana avy eny amin'ny volana ny tany Kanana
(f'enao ngah ahoana)
Te ho tompon'ny sera (f'enao ngah ahoana)
Nefa mora mianjera (f'enao ngah ahoana)
Te hitsapa ana Lol
Hanaovako antsam-panahy
F'enao ngaha ahoana (f'enao ngah ahoana) (x4)

Degany be ilay rivotra avy any ivelany mitsoka
Na ny taolan'lah aza ny farany tsisy tsoka
Ataon'ny ricain manorana ny dollars ohatrany hoe tsisy ny olana
Mandika vilana ny connard manoatra ny foza orana
Dia aleoko mandao ny korana raha hihaino mozika mandany courant
Ny tantara koa lava fa mazotoa homana
Tsy zany mihitsy no handaniana ora hifampisintomana
Samy modeste samy be zesta miteny hoe tsisy toa ana
Raha tsy ampy ny rongony, ravin-tsosety indray fohana
Dia aleo ny setrok'elah eny amin'ny lanitra eny raha handatsak'orana
Samy maneso samy be tatibolana
Fa Michael Jackson ihany no mahay mandiha eny amin'ny volana
Ny azy moon walker ny an'lah mony eny amin'ny tareha
Star mpanefoefo monina any anaty palais fa oay lé!
Elah te hiala amin'ny maizina
Ny soa ihany no fianatra fa ny tsara ihany no raisina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TongueNat
Vangy : 3169
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 11/08/2014 12:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116