Bozaka sy anana (TongueNat)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy ny bitch dia misy ny maontina mipiripirina
Misy ny ditra, misy ny fahendrena sarotra fikirina
Misy ny basy misy ny bala, iza no hotifirina? Isika samy sahala
Misy ny meloka fa tsisy mahalala satria voavidin'ny lerony ny lalàna
Misy ny bizina misisika ny kil fa mitovy ihany kay ny birao sy ny tsena
Misy tsiky tena izy fa misy cinéma be ny ao an-tsainy ao
Izay tsy hainao, misy ny akama dia misy ny saritsariny
Misy ny Eny misy ny Tsia misy ny eo afovoany fa sarotra aminy
Misy rain'ny tetaka nefa dedaka, misy ny tsotra (x3)
Misy ny tànana te hamelaka dia misy ny tànana tonga mitsotra
Te hanampy (x2) mameno izay tsy ampy
Misy manome misy manakana misy mijapy misy miatsiampy

Aiza ho aiza ny sokajin'lah? Havia sa havanana?
Mifangaro ny bozaka sy ny anana
Fahavalo sy namana, ny fako sy ny làlana

Misy ny vrai, misy ny fosika
Misy fotoana tsy hay intsony ny manavaka ny mpilaiso sy ny osika
Misy ny gangsta fa mangina, tsy kobon'lah hoe iza iza?
Calme ihany oa ny vava idina fa aza mitady disadisa
Tsy hita isa, misy ny hita misy ny manjavona
Misy vakiana fotsiny, raha mystérieux ihany aleo miavona
Misy ny () lol, nefa te handona
Averiko eto indray ilay tenin'ny ntaolo tsy mifidy tareha hono ny habadoana
Misy mpananatra, misy mpanafatra ohatra ahy
Samy tsisy tonga lafatra ohatra ahy
Mitady vola fa tsy sambatra loatra
Zanak'olombelona mitady izay mihoatra
Misy ny voky mitady fanampiny misy ny noana @ loha no mikoakoatra
Misy olombelona tsy mahay intsony ny misaotra
Tsy haiko aloha fa ny coco miverina aotra

Aiza ho aiza ny sokajin'lah? Havia sa havanana?
Mifangaro ny bozaka sy ny anana
Fahavalo sy namana, ny fako sy ny làlana

Aiza hoa aiza ny sokajin'lah?
Tandremo, tandremo, tandremo fa misy te hipeka ny sokatrin'lah!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TongueNat
Vangy : 1547
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/07/2015 15:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1829