Fitiavany (Toky Fitia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao izay tojo fahoriana ankehitriny
Aza kivikivy na manome tsiny
Lay mpanao anao
Misaora Azy fa fitiavany anao izany

Izy efa nanaiky ny hamonjy anao
Na tojo fahoriana na raho mitatao
Aza kivy matokia
Fa Izy anie tsy handao anao

Fa ny fitiavany tsy mba lainga
Nafoiny ho anao na dia ny ainy
Tsy nanenenany fa nataony mba ho ahy sy ho anao
Matokia fa izy rehefa tia anao
Dia tsy hivadika na hafoy intsony
Ny fahoriana izay lalovanao
Dia fitiavany

Na rahoviana ianao mahatsiaro ho irery
Ny tomponao antsoina fa izy hanome hery
Hampitraka indray ny endrikao
Zay mahatsiaro very

Izy efa nanaiky ho ateraka indray
Tsy tranon' omby intsony fa lay fonao no injay
Hodondominy indray
Ka raiso izy fa avotra ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Toky Fitia
Vangy : 1253
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsiaronitia
Daty : 13/11/2017 07:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729