FITIA MADIO (TOKO TELO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba tsaronao ve? ’zao isika izao,
Fony zaza nilalao,nalaina nifandao,
Tadidinao ve? tany ampianarana,
Ny Dablio nilaharana, nisy hasambarana,
Fa adinon’ny vintana aho,tsy toa anao,
Nitady fitia,tsy toloranao e,

REF: Fitia madio,tsy miangatra,mba rahoviana,
Tsisy resaka saranga na fihaviana,
’Zaho leroa mba tia an’i madama,
Tia an’i madama dia tia an’i madama,

Azoko atao ve?ny hitia anao,
’Zaho efa babonao tanteraka,
Nefa valala sy lolo,samy hafa volo,
Ianao voninkazo tsara kolokolo,
Ka ny any aoriana no tsy tantinao,
Sao izaho faharoa ireo dimbinao,

REF: (...)

R.RAMPAL
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TOKO TELO
Vangy : 13410
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 22/01/2003 14:53
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114