BELAMAODY (TOKO TELO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izy mivady,miaina tsy mihafy,
Mihaingo fatratra, manimanitra,
Nefa ny ankizy voretra fitafy,
Tsy voakarakara sy miaritra,
Fa sendra olon-dray sy reny belamaody,
Liba sy be revy nefa tsy ampy sôsy,
Ka ny menaky ny ainy no manjary tsy rambina,
Jereo ’reto izy tsy vanombanona,

Raha ny androany,ilay vilany,
Tsy nisy ny natokona,ny kibo efa manotika,
Ireto ankizy,efa leo ny angivy,
Saozanina izay tsy izy,
(x2): Tiako dia tiako ny katanao Dada ô,
Nefa izahay aza vizanina,
Manja tsy iriako ny revinao neny ô,
Raha izahay tsy hihinan-kanina,

Mahita izany ilay vavimatoa,
Ka nandao ny akany fa tsy tamana,
Tsy te ho hambakain’ny hafa moa,
Noraisina avy hatrany rehefa mety ho lalana,
Saingy indrisy fa raha ny zava-misy,
Takona tsy tazana ny anjara tandrify,
Ny hivaro-tena no heveriny ho vahaolana,
Tsy tsapany intsony ny henatra olona,

Vola ihany,vola hatrany,
Izany no tadiavina,izay misy azy tsy lavina,
Teren-damaody,ho sahisahy,tsy ho ela dia "SIDA",
(x2): Tsy tiako,tsy tiako ny revinao sipa ô,
Lamaody ve no hivarotana fanànana,
Manja tsy iriako ny revinao sipa ô,
Aleoko nihany tsy manana,

R.RAMPAL
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TOKO TELO
Vangy : 2992
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 22/01/2003 16:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716