Aleo omeko azy (Tiyah Anna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hainao Izy fa tsy mahafoy anao
Ka araraotinao io foana
Hainao Izy fa potika aminao
ka ampijalianao foana

Tsy mamela azy ianao ,
mba hanana ny soa
Tsy tianao izy nefa
Ianao tsy mahafoy

Ka aleo omeko azy, fa efa natosikao
omeko azy e! Tsy nilainao
Aleoko omeko azy ny foko.....
fa ianao tsy anjarako e!

Nefa izy irery ihany
no hanjaka ato am-poko
tsy hanozona azy aho
F'izy irery ihany
No nanekeko niaretako izay mafy
Fa androany
veloma ianao fa izaho hanadino
--------
Rohy:
Hevitra
andy5 ( 24/01/2016 18:44)
Mafanartr le tonony!Fa ilay feony sisa e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tiyah Anna
Vangy : 1985
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/01/2016 11:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751