Mila anao (Titi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Azoko atao ve ny miantso anao hoe tiako
Dia hilaza izay mba faniriko
Notazomiko ho ahy samy irery
Hatrin’ny ela be ka sao ela loatra toa handratra ahy
Handrovitra ny ati-fanahy
Ka tsy hovoalazako eto indray

Mila anao ho namako aho
Mila anao ho tiako sy ho tia ahy
Tsy fitserana fa tena fitiavana
Mila anao tontolo aho
Mila ilay fitia voakolokolo
Ilay fiarahana ho tena hasambarana

Azoko atao ve ny hanantena anao
Hamboly ilay fiainana vao
Noiriko hatrizay ka hatrizao
Ny faniriako raha rava tsy ho tanty
Mandoro mamono ao anaty
Ka mbola averiko indray

Mila anao ho namako aho
Mila anao ho tiako sy ho tia ahy
Tsy fitserana fa tena fitiavana
Mila anao tontolo aho
Mila ilay fitia voakolokolo
Ilay fiarahana ho tena hasambarana

Tena satriko tokoa ianao fanilo ny fiainako
Fitaratry ny diako
Mila anao

Mila anao ho namako aho
Mila anao ho tiako sy ho tia ahy
Tsy fitserana fa tena fitiavana
Mila anao tontolo aho
Mila ilay fitia voakolokolo
Ilay fiarahana ho tena hasambarana

Mila anao ho namako aho
Mila anao ho tiako sy ho tia ahy
Tsy fitserana fa tena fitiavana
Milà anao tontolo aho
Milà ilay fitia voakolokolo
Ilay fiarahana ho tena hasambarana

Mila anao ho namako aho
Mila anao ho tiako sy ho tia ahy
Tsy fitserana fa tena fitiavana
Mila anao tontolo aho
Mila ilay fitia voakolokolo
Ilay fiarahana ho tena hasambarana

Mila anao ho namako aho
Milà anao ho tiako sy ho tia ahy
Tsy fitserana fa tena fitiavana


Tonony sy feony : Donat Rasamimanana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Titi
Vangy : 12557
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : razfin
Daty : 07/03/2007 11:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174