Any Ianao (Tif à Tif)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Tif à Tif
Mpamaky : 1503
Nampidirin'i : Francia
Tamin'ny : 27/04/2003 13:43:18
ID : 1649

Imprimer Facebook Facebook
Réf: Any ianao dia hitomany anie aho
      Tsy eo ianao dia malahelo anao
      Any ianao dia hitomany anie aho
      Tsy eo ianao dia hitomany anao

      Maizina izao habakabaka
      Ireo lalana toa tsisy hazavana
      Raha vao tsy eo ianao dia manirery anie aho
      Ka dia very anie fa miverena ianao

Réf: Any ianao...

      Ireo ora maro nolalovana
      Toa tsy tsaroako fa ianao
      Toa sarisary ao an-dohako ao
      Izay jeren’ny maso dia ianao
      Ianao ka na mikipy na matory aza aho
      Dia tonga ianao dia tonga nofy ianao

Pont: Efa niezaka...
Réf:  Any ianao...(1fois)

Pont: Efa miezaka aho ny tsy hitomany
      Niezaka aho tsy hisento
      Tsy mety resy tsy mety ho lany
      Ireo ratra avoakan’ny fo
      Efa ora firifiry nandalo
      Oram-pahoriana
      Mbola ho avy ireo ora maro
      Oram-pifaliana

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo