Fihavanana (Tiana)
Mpihira : TianaMpamaky : 1407
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 11/10/2002 10:20:25
ID : 1118 Zanaka malagasy izahay
Mandala ny fihavanana
Tany iaraha-manana
Tsy azonao sarahina e
Ny firaisan-kina aloha
No ataonay sarobidy
Izay fiainana lafo vidy
Rahoviana no tsy hangidy e
Eee aiza re
Ilay atao hoe mitabe
’Ndao isika hifandray tanana
Hanamafy ilay fihavanana
Raha solafaka eo ny iray
Aza latsaina re
Raiso izy mba handeha
Ka hitehina aminao ô
Ny soa vitanao
Tsy hiraraka amin’ny tany
Fa indray andro any
Dia hivaly aminao ihany




