Te hanonofy aho (THT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ref: te hanonofy aho izao
ra azony atao
ho tapitra atreo zay ny ady e
ka azafady aminao
tiko ho paradisa ny fiainantsika
( zaho sy inao)*2
ka leo aho

SPHYNX:
ra ny sitrapoko ny krizy tiko asiana pôzy
tsy aondrana fa atao kitay hoan mahantra ny bois de rose
te anagana trano aho otran kianjan i maki
ataoko toerapialofan ireo rahala 4mi
d mba olomarina aminzay n itondra antsika
vao2 am tele tsy hilaza loza fa hitondra tsiky
de ny zaza gasy tsy hiasa fa handray kahie
amin zay any aoriana any mba itondra société
de tsy hisy tsony ny ambany ambony fa hitovy
nefa indrisy fa izany rehetra izany fa mbola ho nofy
iriko ny fiainantsika ra toa ka ho toy ny film
averina ny lasa fa rabôfy tiko ho fihinina

ref: te hanonofy aho izao
ra azony atao
ho tapitra atreo zay ny ady e
ka azafady aminao
tiko ho paradisa ny fiainantsika
( zaho sy inao)*2
ka leo aho

JIZZ:
za mba te hanofy oe ny fiainana hia tsara
ka ho tany tan-dalana i gasikara
de ho tapitra am zay ny fahantrana
ka ho vitsy ny pangataka de ho vitsy ko ny adala
ra ny tiko de ho fôna ny krizy
de ampidirina an tsekoly ko ny ankizy
ka ho tapitra ny fiainana mangidy
de rôfina ny fako zay mirongatra zay tsy izy
za mba te hanofy oe lasa miaramila de
tsy hisy ra mandrika de tsy hisy ko remenabila
saingy indrisy fa nofinofy zany
fa gasikarako tsy ilaozana tomany

ref: te hanonofy aho izao
ra azony atao
ho tapitra atreo zay ny ady e
ka azafady aminao
tiko ho paradisa ny fiainantsika
( zaho sy inao)*2
ka leo aho

FARAO:
te hanonofy aho oe anity fiainana stable
mba ahita mihôtra anzay tokony ho tadiavina
tsy mila manao ratsy zay vô mba mahita soa
hahay hitia ny tenako aho de hitia ny hafa ko
iriko mba hilamina nofisiko isan-kalina
hoe fasambarana aiza mo kay no afaka indramina
te hanonofy a oe hiova amzay ny olombelona
de tsy ho baikon ny vola sy ny zava-mahadomelina
fa hizara fitiavana ra sendra ady mazana
ra sendra fifalina de mba ho eo fôna ny havana
ra zany no tateraka de zao ny fiafarany
ho tahaka ny any an-danitra tokoa ny ety an tany

ref: te hanonofy aho izao
ra azony atao
ho tapitra atreo zay ny ady e
ka azafady aminao
tiko ho paradisa ny fiainantsika
( zaho sy inao)*2
ka leo aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : THT
Vangy : 6926
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/09/2014 10:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1483