Raha toa ka vitanao (THT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa tiako ho hitanao anao hoe
Fa mbola tiako ianao re
Ka omeo vintana ao re
Raha toa ka vitanao

Jizz:
Saika safotra aho nahita an-dry 'lay nankatý
Ilay botabota kely iny toa lasa nihanahia
Fa inona no nitranga fa sa inona ny blem ?
Fa vao maraina be dia tonga atý, toa amin'ny enina
Dia aza mitomany fa kozio izay ao am-po
Ataovy moramora fa ianao marary fo
Avia aloha mandrosoa dia 'ndehana maka seza
Dia aza gaga raha mahita anahy hoe toa mihangeza
Mbola tiako ianao zay ny kozinao voalohany
Fa sarotra amiko lesy ny hanadino ny taloha
Tsisy ahasolo anah ho'izy ianao raha mbola bandy
Fa eo akaikiko eo ihany no misy tambitamby
Ianao lay mpampijaly, ianao 'lay zatra miady
Raha tsy ampy tambitamby, any an-kafa indray mitady
Dia miala tsiny akia fa efa tara loatra
Merci nandalo akia
Dia misaotra

Fa tiako ho hitanao anao hoe
Fa mbola tiako ianao re
Ka omeo vintana ao re
Raha toa ka vitanao

Farao :
Efa haiko tsara mihitsy ianao tsy maintsy mbola hiverina
Fa dia ranomaso sisa no azonao aterina.
'Zaho mantsy amin'izao efa nahita olon-kafa
Raha ny amintsika roa koa tamin'ireny efa voafafa
Ny lasa omban'ny lasa, 'zaho efa nanadino,
'Zaho tena miala tsiny dia ny saina alamino.
Ekeko hoe tena marina fa ianao no tompon-toerana,
Ianao no tonga aloha nefa 'zay tamy koa tsy ferana
Irinao hoe hiverina ny fiainana taloha,
'Zahay nefa efa miandry indray lay zanakay faharoa
Tara loatra ianao vao tonga saina ny hoe hanarina,
Ny hafatro dia tsotra be, ny saina aloha amboarina
Misy koa ny anjara ange fa aza mbola kivy
Esory anaty lisitra fa 'zaho aloha efa tsy izy
Fiainana mitohy, ianao iriko mba ho tafa
F'ianao matoa tsy anjarako dia anjaran'olon-kafa

Fa tiako ho hitanao anao hoe
Fa mbola tiako ianao re
Ka omeo vintana ao re
Raha toa ka vitanao

Sphynx
Ianao 'ty ve adala ? sa tsy mahalala menatra.
Haiko hoe manambady nefa toa manala peratra.
Andro hariva be io ianao no toa tonga atý,
Latsa-dranomaso milaza aminahy hoe mbola tia
Fa inona no nitranga, fa angaha nisy tsy nety
Ny masonao toa mangana fa angaha enao voa-gety
Mitonia aloha ianao dia 'ty ny rano mangatsiaka
Na mbola tia anao ary aho tsy tafa ny amintsika
Fa toy ny vao omaly anie 'lay izaho nilaozanao,
Nahatonga anahy nanoratra an'ilay tsy ho vitanao
Dia ankehitriny ianao mangataka nouveau départ
Film efa hitako io fa ny farany tsy tsara
Ny saiko te hanaiky satria nofy toa tanteraka
Fa ny foko lasa vato ka mandà anao tanteraka
Ka aleo mba samy miala, sao hifandratra fotsiny
Efa ho avy eo 'zao lay vadiko
Tsy milay ianao raha kobony

Fa tiako ho hitanao anao hoe
Fa mbola tiako ianao re
Ka omeo vintana ao re
Raha toa ka vitanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : THT
Vangy : 21168
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 24/09/2015 19:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1519