Hisaraka (ft Miangaly) (THT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia tiana aza ny hiaraka
Dia tsy maintsy misaraka
Eny mafy izany hoe hifandao nefa tsisy azo atao
Hany hery aoka isika hifandray Tanana
Mba ho mariky ny fifankatiavana

Jizz:
Izany ve le lahatra sa za no ratsy vintana
Fa fiainako tsy misy anao to lasa tsisy dikany
Be ny zava bitany tsy ho vitako ny vitany
Raha ny hasolo anao alou tsy misy na dia singany
nataoko ny tsy hiteny ,saingy indrisy fa tsy zakako
Fa lasa ts nanao veloma le tanako ankavanako
Enao lay tovovavy sady piaro no pananatra
Dia tsisy tsony le mitsena anao rehefa avy mianatra
Iza ndray zao no hizarako alaelo
Iza ndray zao no handray phone rehefa maneno
Dia hatraka ny loha ts mianjera za fa lavo
Fa ny hany sisa ataoko dia manati-bonikazo
Ref: Miangaly

Sphynx:
Izy lay andry iankinan’ny foko raha tsy eo izy za marary
Le niara-nivoady tamiko heo mandrakizay zay tsy hifanary
Nefa ny fiainana no mangidy ,izy lasan’ny fahafatesana
Zah migoka ny mangidy satria tapaka tetezana
Ka tsy ho hitran’masoko tsony e! ts azoko an-telephone
Ny hany fara-veloma ho azy dia soratra @courOne
Veloma enao ry malalako
Indray andro any mbola hiaona
Fa ny fotoana mbola tsy hay fa mandrapa lou za hisaona
Nitsingerina ihany ny taona fa ianao toa ts mety hadino
Fitiavako anao ko tsy miova hatram’zao zaho mbola tsy mino
Hoe enao tsy hiverina tsony e,fa lasa dia any dia any
Ny olona mifaly rehefa febroary fa zah mitomany
Ref: Miangaly

Farao:
Tsy ho hitan’ny masonao tsony izy rehefa tonga lay andro hialany
Tsy tsaronao tsony reo ratsy nataony sy le hoe ny fonao no ratrany
Tamin’zany,Tadidinao tsara izy rehefa le mba manontany
Hoe tia azy koa ve ianao sa izy no tia tia be fahatany
@zao ngamba enao vao hitomany
Azafady fa efa tara loatra
Fony izy velona nanao marenina sady tsy nanararaotra
Ka raha azo atao ny tsy mbola misaraka alohan’ny fahafatesana
Dia ilay olo-tokana mamin’ny fo ihany hoa mba ho matimatesana
Fa ratsy le tena hisaraka
Enao nefa ts afaka hanaraka
F’izy efa lasa mialoha any andanitra enao anefa mbola anaty lavaka
Dinio amzay ho any fiainana
Dia tiavo izy raha mbola velona
Aza miandry hoe efa maty izy vao hitia azy sao enao hanenina

Ref: miangaly
--------
Rohy:
Hevitra
lucienii.hajaniaina2017 ( 27/03/2017 18:22)
mlay eh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : THT
Vangy : 29121
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/02/2017 21:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0925