Very aho (Thiera BRUNO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasan’iny olona iny re ny lambako
Ny andro anefa mangatsiaka sy mamirifiry
Aiza intsony aho re no hahita tahaka an’iny
Very aho babako, very aho neniko

Lasan’iny olona iny re ny eritreritro
Ny saiko tsy eto intsony f’efa tonga any
‘Zay zavatra jerena mampisentosento
Very aho babako, very aho mamako

Lasan’iny olona iny ny hasambarako
Malahelo lava, very tsiky iray
Ravan’iny olona iny re ny tokantranoko
Very aho babako, very aho neniko

Lasan’iny olona iny ny fahatsiarovako
Ny amiko fahiny hany havako
Miady samirery aho isan’andro isan’andro
Very aho babako, very aho neniko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Thiera BRUNO
Vangy : 1444
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/04/2019 10:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863