You are here: home > Tononkira > Therack

Mivolombatosoa (Therack)

Mivolombatosoa

Mivolombatosoa  ny rahon-takariva
Ny masoandro koa hilentika efa iva
Ny rivotry ny ala mitsoka moramora
Faingana ry malala fa mamy re ny ora

Miantso anao ny foko hiara-dravoravo
Hitsinjo hosodoko ery an-danitr’avo
Iry ery mangalahala izaho sy ny natiora
Faingana ry malala fa mamy retononkira.serasera.org ny ora

Ande ho hadinoina ny sorisorin-tsaina
Ny feoko henoina, meteza sombin’aina
Raha toa misalasa avy hiara-mikora
Faingana ry malala fa mamy re ny ora

Miantso anao ny foko hiara-dravoravo
Hitsinjo hosodoko ery an-danitr’avo
Iry ery mangalahala izaho sy ny natiora
Faingana ry malala fa mamy re ny ora

        Thérack

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Therack
Mpamaky : 52
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Natoro
Tamin'ny : 08/02/2018 13:56:01
ID : 10357

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo