Malalany (The Singers of Jesus)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mafy ny adinao, feno tomany lava izao
Ny fiainanao , zary sento sy toreo
Ireo izay tianao nitsoaka, nandao anao
Fa nisy iray nijery anao

Ho anao izay nikatsaka fiainana vaovao
Raiso Jesoa miantso anao
F'izy anie efa nanolotra ny fiadanany
ho anao ilay maminy, malalany

Ambarako anao Jesoa ilay sakaiza soa
Nanolotra ny ainy, fitiavany ahy, ho anao
Ahy, ho ahy sy ho anao
Ho ahy sy ho anao izao hira izao

Ho anao izay nikatsaka fiainana vaovao
Raiso Jesoa miantso anao
F'izy anie efa nanolotra ny fiadanany
ho anao ilay maminy, malalany

Raiso izy anio f'izy no nanambara hoe
ny zanany, ny asan'ny tanany
Dia samy ho adidiny

Ny fonao no omeo hanjakany,
Ho raisiny ianao ho zanany, malalany
mandrakizay doria

Raiso izy anio
ny lova tsara no efa miandry anao
ny lanitra, no ho fonenanao, hionona ianao

ka raiso izy anio
Ny sisa miankina aminao
Antsonao ankeo
Avelao izay tsy fanao fa mandondona
eo ambaravaran'ny fonao izy izao


Ho anao izay nikatsaka fiainana vaovao
Raiso Jesoa miantso anao
F'izy anie efa nanolotra ny fiadanany
ho anao ilay maminy, malalany

Tena maminy ianao, malalany
--------
Rohy:
Hevitra
mam'tsiadino ( 17/05/2016 15:00)
Mampahery sady mahafinartra ity hra ty tiko (y)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : The Singers of Jesus
Vangy : 11430
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : boutchiiie
Daty : 20/05/2014 10:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1264