Avelao aho (The Magic Swing)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avelao aho hitomany, hitomany irery eto aho e
Nanantena aho, nanantena, hay ianao tsy tia ahy akory e
Nefa izao nitia anao, tamin'ny foko manontolo e
Raha nitia ahy ianao, nanjary fitaka sy lainga e

Raha ny fihafiko, fitarainako, tsy nohainonao
Nitarika ratra, tao am-poko noho ianao
Fa ianao tsy namaly, ireny fitiavako ireny
Fa naleonao, namela ahy ho irery

Avelao hitomany, hitomany irery eto aho e
Fa naleonao nandeha, ka namela ahy ho irery e
Manganohano ny masoko noho ianao, hanambitamby ianao tsy handaitra e
Fa avelao aho hitomany, hitomany irery eto aho e

Raha ny alaheloko, fitiavako, tsy nohainonao
Ny ranomasoko, fijaliko, tsy nojerenao
Fa ianao tsy namaly, ireny fitiavako ireny
Fa naleonao, namela ahy ho irery
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : The Magic Swing
Vangy : 1358
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Magic_Swing
Daty : 18/09/2017 20:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1267