Vangy (The Dizzy Brains)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarotra ny miaina, miaramila no miandry
Vao mikozy ialahy ry'dada be ny mampiseho vangy!
Kala iray sy gala, nanalana sigara

No vatsy hoenti-miatrika ny tontolo andro o

Aleoko ihany lesy dada mandrimandry maraina
Makamaka souffle mijery tanàna
Ny mitaditady kandra mantsy manaintaina
Donadona be zara raha misy karàma

Telo arivo ariary izao ny vidin'ny gasy
Asa raha mbola takiany fameriny ihany
Sasatry ny miasa tsara sy miady mafy
Zara raha mahita gala telo amin'izany

Sarotra ny miaina, miaramila no miandry
Mikozy ialahy ry'dada be ny mampiseho vangy!
Kala iray sy gala, nanalana sigara
No vatsy hoenti-miatrika ny tontolo andro.

Tsoh

Ataoko inona ary moa izay gala telo amin'izao?
Ataoko inona ary moa izay kandrakandranao?
Teny tsara lahatra ny hoe gasy tafita!
Nefa telo arivo zara raha mba mahavidy sipa...

Aleoko ihany lesy dada mandeha samy mitady
Raha ny seza sy ny fahefana no fototry ny ady
Zara aho raha mikaly nefa gasy toa azy
Potiky ny rotaka ity taninay!

Tsoh

Sarotra ny miaina, miaramila no miandry
Vao mikozy ialahy ry'dada be ny mampiseho vangy!
Kala iray sy gala, nanalana sigara
No vatsy hoenti-miatrika ny tontolo andro.

Tsoh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : The Dizzy Brains
Vangy : 1454
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nickcartman
Daty : 21/04/2017 15:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3036