Sambatra indrindra (Tempo Gaigy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra indrindra aho
Vao mandre anao lavitra any
Tsapako ery fa tiako ianao
Sasatra ery za miandry valiny hafatrao
Tsy maninona fa miandriandry eny any
Sambatra indrindra aho
Vao mandre anao lavitra any
Tsapako ery fa tiako ianao
Sasatra ery za miandry valiny hafatrao
Volana sy taona hiafiako eny ihany

Na efa vizana iny aho
Mbola nanoratra noho ianao
Mba ilazako fa mbola tiako ianao
Ka na dia ho lavinao
Ny foko tia anao eny hatrany
Avelao aloha mba hitampify eny ihany

Satria tiako ianao
Tia anao aho
Tsy tsaroako akory izay fanaintainako
Satria tiako ianao
Tia anao aho
Omeko anao izay sisa hasambarako

Ny fofon'ainao reko mitsoka avy any lavitra any
Noentiny rivotra mba sendra nandalo
Dia izay no nahalalako fa
Any andro iray mbola hiposaka eto ny hasambarako

Na efa vizana iny aho
Mbola nanoratra noho ianao
Mba ilazako fa mbola tiako ianao
Ka na dia ho lavinao
Ny foko tia anao eny hatrany
Avelao aloha mba hitampify eny ihany

Tia anao aho
Satria tiako ianao
Tia anao aho
Tsy tsaroako akory izay fanaintainako
Tiako ianao , tianao aho
Omeko anao izay sisa hasambarako


Tonony sy feony : Faniry
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tempo Gaigy
Vangy : 13558
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/03/2015 18:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131