Rediredy (Telofangady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iny habakabaka iny indray izao no mba iriako
Honenana fa leo e,
Fa leo ny miaina ety aho izany

Satria eny angamba no mety ahitako ny
Fiadanana k'aleo e,
K'aleo eny indray aho no hanorim-ponenana

Tsy hitady vola aho
Tsy hisasatra intsony aho
Fa hamboly ho voky
Tsy hamboly ho voky

Tsy hanam-pahavalo aho
Tsy hanam-pakahala aho
Fa hanao izay rehetra
Safidin'ny foko...

Mirediredy aho angamba hoy ianao
Mirediredy aho fa tsy maninona

Na dia tsy miteny aza ianao io
Dia fantatro izay ao an-tsainao ao e
Fa faly mitsara ahy hoe: Olona resy

Satria ny kanosa sy ny tia tena no
Manao izany e
Raha tojo ny olana saro-bahana

Aiza ra-fifaliana,
Aiza ra-fitiavana o o o
Nankaiza daholo ianareo no tsy hita

Aiza ra-fitsimbinana
Aiza ra-fitsinjovana o o o
Rehefa tsy hita ianareo
Antsoiko ra-fahafatesana

Fa izy no anjaran'ny olom-boahozona

«Tena mirediredy,(3)
Rediredin'ny olona adala» x2
--------
Rohy:
Hevitra
Souki youki Nary ( 09/11/2018 17:13)
Zavatr iainako @zao mihintsy io hira io, mankasitraka indrindra! :(
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Telofangady
Vangy : 7326
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsiresy91
Daty : 28/04/2014 13:01
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117