You are here: home > Tononkira > TDL

FAHEFAN'NY LANITRA (TDL)

Raha Izy no miasa tsisy ahatohitra
Raha Izy no miasa tsisy ahasakana
Fahefana sy ny hery dia manaiky Ilay mahery
Mpandresy toy ny voro-mahery

Fahefan’ny lanitra nomeny anao (2x)
Aza matahotra fa Izy homba anao (2x)

Dia mandehana aza matahotra
Ny anjaranao tsy hisy aharombaka
I satana mihorohoro raha Jesosy no mijoro
Ilay vato tonga hanorotoro

Fahefan’ny lanitra nomeny anao (2x)
Aza matahotra fa Izy homba anao (2x)

BRIDGE : Hery sy fahefana (2x) Miaiky daholo ny iray tanana Tsiky dia ampy
              Fa ny fiainanao dia misy fahagagana
              Hanitsaka menarana nandositra koa satana
              Ny areti-mandringana saika hamono nangorona lamba fa tsy tamana
              Hery sy fahefana (2x) Miaiky daholo ny iray tanana
              Fa ny fiainanao dia misy fahagagana
              Hanitsaka menarana nandositra koa satana
              Ny areti-mandringana saika hamono nangorona lamba fa tsy tamana é!

Fahefan’ny lanitra nomeny anao (2x)
Aza matahotra fa Izy homba anao (2x)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TDL
Mpamaky : 153
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : niniekely
Tamin'ny : 05/11/2018 20:51:53
ID : 11090

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo