valim-bavaka (TDL (True Direction Life))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola matanjaka mirijarija loatra
Sy mihary harena mafy tsy mba mety ho afapo
Toa mikely aina fatratra amin’izay mora lo
Ka ny vola sy ny harena no mameno ny fo
Izay kasaina dia lavorary avokoa
Toa to tery loatra raha tsy izany misendoatra
Ary miezaka hatrany mankamamy ny fiainana an-tany
Nefa tsy fantany hoe ho an’iza izay niariany izany

Ampahafataro ahy izay mety hiafarako
Sy izay rehetra ohatry ny androko
Aoka ho fantatro fa olon-kandalo
Andehanako mahitsy eo Aminao

Ny fiainanao dia mihinana sy matory
Fa ny fanahinao mahantra sady ory
Tsy mieritreritra sy misaina hoe ny fanahiko mitaraina
Fa ny nofo mety maty no karakaraina
Dia mihevitra sy mampiseho ny tenany ho ambony
K’izany fahatrana izany dia tsy tsaroany intsony
Ny fiainana eto antany dia misy farany sy manam-petra
Ny fahafatesana no itovian’ny olon-drehetra
Ka hoy aho hoe

Ampahafantaro ahy…..
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TDL (True Direction Life)
Vangy : 12985
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : niniekely
Daty : 05/05/2017 11:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726